Niely ny feo tato ho ato fa alana amin’ny fanjakana ary hamidy amin’ny sehatra tsy miankina ny tranompirintim-pirenena etsy Analakely.
Tsy azo ekena izany, hoy Andriamboavonjy Angelson taleny, raha nitafa tamin’ny mpanao gazety izy omaly.Tsy tokony hohadinoina fa manana anjara toerana lehibe amin’ny fampandehanana ny asam-panjakana ny tranompirintim-pirenena satria ny taratasim-panjakana rehetra dia miainga ao amin’izy ireo avokoa. Anisan’ireny ny fiantohana ny fanamboarana ny kara-panondrom-pirenena, ny bokim-pianakaviana, ny kopia mari-pahaterahana, ny bon de caisse… Isaky ny misy krizy anefa eto amin’ny firenena dia misy mitady hamboly korontana foana ao amin’ity ivontoerana iray tantanany ity. Na izany aza dia tsy mbola misy resaka momba izany aloha satria mba tia tanindrazana ihany ireo mpitondra raha ny fahalalany azy ka tsy hivarotra izay rehetra azony hamidy. Nomarihiny manokana moa fa orinasa mamelon-tena ny tranompirintim-pirenena. Raha izy ireo no mitokona, hoy hatrany ny talen’ny tranom-pirintim-pirenena dia vola an-tapitrisany maro no hanjavona ao anatin’ny indray andro. Tsy avy amin’ny teritery no mahatonga ny mpiasa tsy hitokona fa vokatry ny fahatsapan-tenan’izy ireo. Malalaka amin’ny safidiny anefa ny mpiasa tsirairay avy.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.