Actualités

Tranombokim-pirenena Anosy Voninkazo an-jatony no haranty ao an-toerana


  • Alakamisy 19 Martsa 2015

Anisan’ny voninkazo iray manadio ny tontolo iainana ny ampanga aorian’ny palmier, indrindra taorian’ny tondra-drano niseho teto amintsika. Misy karazany maro izy io, azo atao ao an-tokantrano, eny an-davarangana na eny an-jaridaina ihany koa.

 

Anisan’ny mampiavaka ny varotra fampirantiana voninkazo etsy amin’ny tranombokim-pirenena Anosy karakarain’ny fikambanana ceinture verte ny fisian’io karazam-boninkazo iray io.  Nanomboka omaly alarobia  ny hetsika haharitra telo andro. Ankoatra ny ampanga dia karazam-boninkazo an-jatony no hamidy ao an-toerana, manomboka amin’ny 3.000 Ar ny vidiny raha mahatratra ana hetsiny kosa ny sasany toy ny orchidée ... Nomarihin’ny filohan’ny fikambanana Rakotoson Vololona moa fa mbola tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny andro maneran-tany ho an’ny vehivavy ny hetsika saingy voatery nahemotra kely noho ny fiaraha-miory tsy maintsy notanterahin’izy ireo tamin’ireo mpiray tanindrazana traboina sy namoy ny ainy.

Patty


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT