Actualités

Tranom-printim-pirenena Fahombiazana ny taona 2016


  • Talata 10 Janoary 2017

Fahombiazana tanteraka ny taona 2016 ho an’ny tranom-printim-pirenena etsy Ambatomena.

Raha 1 miliara Ar mantsy ny tombombarotra azony tamin’ny taon-dasa dia tafakatra 3 miliara Ar izany nandritra iny taona nivalona iny noho ny fahaiza-mitanatana nasehon’ny taleny Randriamboavonjy Jean Angelson.  Tsy nandalo fatiantoka mihitsy ity orinasam-panjakana iray ity, tsy mila fanampiana avy amin’ny fanjakana ihany koa sady tsy mangataka fa mahavelon-tena. Miantso ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny ananany trosa ny tranom-pirintim-pirenena mba handoa izany hahafahan’izy ireo miasa. Ankoatra izay dia fantatra fa efa vitan’ny tranom-printim-pirenena ny fikarohana amin’ny fanontana ilay kara-panondro biômetrika, misy « puce » ary mahasolo kara-pifidianana avy hatrany ankehitriny. Mbola miankina betsaka  amin’ny fitondram-panjakana anefa  ny hahafahana manatanteraka izany na tsia. Anisan’ny tombony amin’ny fampiasana ity kara-panondro biômetrika ity, hoy  Randriamboavonjy Jean Angelson, ny ady amin’ny hala-bato mandritra   ny fifidianana  satria tsy afaka mamerina mifidy amina toerana iray intsony ny olom-pirenena iray efa nahavita izany. Notsiahiviny moa fa isika eto Madagasikara irery sisa no tsy mampiasa azy io fa ny any ivelany rehetra dia efa mampiasa azy avokoa.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT