Tompon’andraikitra voalohany misahana ny tranoben’ny tantsaha ny fanjakana Malagasy. Mijanona hatrany ho mpitondra tenin’ny tontolo ambanivohitra anefa ity fikambanambe ivondronan’ireo mponina mivelona amin’ny fambolena sy fiompiana ity, hoy ny filoha teo aloha Andrianjafimahatratra Solofo.
Ezaka manokana tanterahana amin’izao fotoana izao ny fijerena ireo tohana amin’ny lafiny ara-tsosialin’ireo tantsaha maro an’isa. Anisan’izany ny fiaraha-miasa amin’ny «Caisse Nationale de Prévoyance Sociale» hitsinjovana ny resaka fiahiana ara-tsosialin’ireto farany miaraka amin’ny fanentanana ireo mpamboly sy mpiompy hanokatra kaonty tahiry hiatrehana ny vodiandro ho merika. Tsy nataon’ny tranoben’ny tantsaha ambanin-javatra ihany koa moa ny fanampiana ara-pitaovana sy ara-kevitra ny eny anivon’ny tontolo ambanivohitra amin’ny alalan’ny fampanatonana azy ireo hatrany ireo teknisianina manampahaizana.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.