Actualités

Trano fonenana eto Madagasikara Mila fanovana goavana


  • Talata 09 Janoary 2018

Tsy ho afa-bela amin’ny rano be miakatra i Madagasikara rehefa misy ny rivodoza mahery mandalo eto ; tsy misy fomba hahafahana mifehy ny rano saingy ny azo atao kosa dia ny manatsara hatrany ny fiomanana na ara-tsaina io, na ara-pitaovana, na ara-teknika , na ara-bola amin’ny fiatrehana ny loza mety ho avy.

 Lesona goavana tokony ho voarain’ny rehetra na mpitondra fanjakana io na mpandraharaha , na olom-pirenena tsotra ny hoe : tena mora mirodana ny trano tsizarizary rehefa misy ny oram-be mivatravatra sy ny rano miakatra.Ny tsizarizary ambara eto dia ny trano hazo kely, ny trano falafa tsy miisy fototra mafy, ny trano biriky fotsiny maiaraka amin’ny rojo-peta tsy misy fototra vato ary tsy voalalotra simenitra ny rindrina.Karazan-trano hita amin’ny faritra maro eto Madagasikara ireo ; tonga angamba ny fotoana hikarohana vahaolana mahomby sy maharitra momba ny trano fonenana eto Madagasikara ka hikarohan’ny fanjakana hevitra hahafahan’ny olona manana trano fonenana manara-penitra sy afaka miaro amin’ny rivo-doza tahaka ny efa misy any amina firenena maro.Mazava ho azy fa misy ny fenitra tsy maintsy arahana amin’izany tahaka ny fampiasana vato, simenitra, fasika, lasi-tsimenitra sns..mazava ho azy fa tsy maintsy dinihana tsara ihany koa ny toetry ny tany hananganana ilay trano, ny habe sy haavon’ilay trano aorina eo amin’io toerana io.Tsy iadian-kevitra fa tena tsy azo atao ny manorina trano eny amoron-drenirano na ambony tatatra sy fefiloha ; ny fisian’izany no mampitombo isa hatrany hatrany ny traboina sy iharan-doza eto Antananarivo amin’ny fotoam-pahavaratra.Manana ministeran’ny fanajariana ny tany, ministeran’ny asa vaventy i Madagasikara ary manana manampahaizana sy teknisianina maro be momba ny asa vaventy sy ny fanorenan-trano, ka inona no tsy hifampidinihana hikarohana ny fomba hananganana tetikasa goavana momba ny trano fonenana manara-penitra ho an’ny Malagasy.Ny akora isika manana izay ilaina rehetra eto .

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT