Ankizivavy iray vao feno 12 taona no teren'ny ray aman-dreniny hanaovana fehim-panambadiana any Amboangibe Sambava. Zanaka tantsaha ity ankizivavy ity ary mbola mpianatra amina sekolim-panjakana, tokony hiatrika fanadinana CEPE amin’ity taona ity.
Efa tonga any an-toerana misy azy ny mpampakatra, toy izany koa ny fianakaviana hanome voninahitra ny raharaha. Tsy niandry ela fa dia natokana amin'ny efitrano manokana ilay zaza sy ilay rangahy hampakatra azy ho vady. Mitsipaka ny hanatanterahana izany ny lehiben'ny Fokontany misy ilay zaza raha tonga haka taratasy tany amin’ny Fokontany ny iraky ny fianakaviany . Ireo olobe ao an-tanàna ihany koa miezaka mandresy lahatra ny ray aman-dreniny mba tsy hanakalo vola na harena an'ity zazakely ity. Ilay zaza etsy an-kilan’izany mitomany ary miangavy sy mitalaho mafy mba tsy handeha hanara-bady izany.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.