Actualités

Tranga Ministera tsy mahaloa karama


  • Zoma 09 Jolay 2010


Velon-taraina amin’izao fotoana ireo mpiasa an-tselika nanao ny fanentanana nandritra ny hetsika sy fampirantiana nokarakarain’ny ministera iray etsy Ambohijatovo tao amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena ny 17, 18 ary 19 martsa lasa teo, satria tsy mbola nahazo ny karamany izy ireo. Efa niverimberina matetika tany amin’ny tompon’andraikitra teo anivon’io ministera io izy ireo, araka ny nambaran’ny solontenany saingy tsy nahazo valin-teny mahafa-po hatramin’izao, ary dia mifanilika indray aza ireo tompon’andraikitra izay natonina sy nanontaniana. Very fanahy mbola velona, araka izany, ireto mpiasa an-tselika ireto ka tsy mahafantatra intsony hoe : iza marina no tokony hanome ny valin-kasasaran’izy ireo. Nanamafy anefa izy ireo fa vita tsara araka ny tokony ho izy sy ny nifanarahana ny asa, ary ny nambara tany am-boalohany dia hoe : omena ny karama rehefa vita ny hetsika. Koa manaitra ny sain’ny tompon’andraikitra, nikarakara ity hetsika tamin’ny volana martsa ity, ireto mpiasa tsy mbola naharay ny karamany ireto mba hijery akaiky ny tokony hatao satria efa dimy volana izay no lasa ka tokony ho fantatra mazava amin’izay ny tena marina.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT