Ahitana tranga hafahafa foana ao Antsirabe eto. Mbola mitana ny sain’ny olona aloha ireo biby mivoaka alina mihinana atim-biby toy ny kisoa hatramin’izao dia misy tranga hafahafa indray miseho.
Teny amin’ny fokontany Androvakely indray ity tranga ity no niseho ny faran’ny herinadro lasa teo ka voalaza fa akoho miisa 4 maty ho azy ary nivoaka afo ny tendany ny sabotsy 29 jolay 2017 teo. Tezitra tamin’ny zanany iray ilay ramatoa renim-pianakaviana nahita ny akoho niara-nitsitra ary niitatra tany amin’ny fiaraha-monina ny resaka fa hoe misy nanapoizina ny akohony. Nisy ny nanome hevitra azy fa ho didina ny tendan’ny ka jerena ny takorobabon’ny akoho dia fantatra ao ny nahazo azy raha voapopizina izy. Tsy nahaleo tohika ilay ramatoa ka raikitra ny fandidiana natao tamin’ny akoho kely indrindra no nojerena ka vao vaky ilay takorobabo dia nivoaka afo mangamanga toy ny nitselatra izany ka taitra avokoa ny rehetra. Natao toa izany ireo akoho 3 hafa ka nitovy avokoa ny nitranga. Tsy lavitra teo moa ny nitoeran’ny mpiasan’ny kaominina iray, misahana ny fanaraha-maso ao anatiny ka natsoin’ny mponina izy mba hijera ka nananamarina tokoa ny trangan-javatra niseho ny tenany saingy tsy afaka nanazava ny antony kosa aloha. Somary mihataka ny renivohitra moa ity fokontany ity ka tsy nisy ny niantso mpitsabo biby nanamarina ny tranga ka dia nasain’ilay tompon’andraikitra nalevina ireo akoho maty ireo sao mampidi-doza.
Caius R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.