Actualités

Tranga eny anivon’ny fokontany Fanendahana sy ny adiady madinika no tena maro


  • Alakamisy 08 Martsa 2018

Tsy misy izay tsy miaiky fa sahirana ny ankamaroan’ny tokantrano Malagasy. Zary mikorontana hatramin’ny fiaraha-monina vokatr’izany, antony mampitombo isa ireo karazana fitarainana eny anivon’ny Fokontany.

 
  Ho an’ny Fokontany Antandrokomby, kaominina Anosizato Andrefana manokana dia ireo karazana fitarainana momba ny adiady madinika eny anivon’ny fiaraha-monina no tena nanahirana ny sefom-pokontany tamin’ny tapaky ny volana Febroary lasa teo. Efa diso sahirana loatra amin’ny fiatrehana ny fiainana mantsy ny olona ka tsy mahay mifampihaino sy mifandefitra intsony. Anisan’ny tranga tena nalaza teny an-toerana ny fisian’ilay lehilahy iray nandratra voamiera tompon’andraikitra. Ho an’ny Fokontany Akany Firaisana Andranonahoatra indray dia ny fisian’ireo mpanendaka miandry ao amin’ny fiangonana Fjkm Ambanilalana no tena handraisan’izy ireo fitarainana matetika, tranga miseho isan’andro isaky ny amin’ny 08 ora alina. Na izany aza moa hoy ny tompon’andraikitry ny Fokontany eny an-toerana dia efa nisy ny fepetra noraisin’ny mpitandro ny filaminana saingy tsy mbola nisy tratra ireo olon-dratsy.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT