Actualités

Trafikana volamena sy boaderôzy Zanaka olona ambony voasambotra any Bangkok ?


  • Alatsinainy 23 Martsa 2015

Tena zava misy ve sa tsaho ihany ? Ny faramparan’ny herinandro teo dia niely teto Madagasikara fa misy zanak’olona ambony eto amintsika voasambotra any Bangkok renivohitr’i « Thaďlande » fa tratra nanao aferana boaderozy, volamena ary kokaina. Ny boaderozy izay efa nangatahana fiaraha-miasa

 

amin’ny eran’izao tontolo izao ny fanamborana izay tena rangory fototry ny afo eto Madagasikara fa tsy mbola nety  tratra ny tena atidoha. Asa raha ity no  hampipongatra ny marina na mbola mety ho votsotra ihany. Tsy mbola nisy nanao fanambarana moa ny eo anivon’ny fitondrana manamarina io na tsia. Ny  fitondrana izay tena naneho fahavononana ny hiady amin’ny kolikolin’ny boaderozy tamin’ny alalan’ny praiminisitra izay nampanantena ny  hanangana tribonaly manokana miady amin’ny trafikana boaderozy. Ho an-dry zareo “Thailandais” indray dia ilay aferana kokaina no tena mety hahatafiditra lalina ity zanak’olona ambony Malagasy ity. Ny zoma teo  moa dia toe efa nisy, hono, minisitra malagasy iray nandefa taratasy any Bangkok fa tsy fantatra na misy ifandraisany amin’io raharaha io na zavatra hafa. Ho hita eo ny tohiny.

Andry Ratovo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT