Actualités

Trafikana tovovavy Malagasy Ampivadiana amin’ny Sinoa ireo hamidy


  • Alakamisy 07 Martsa 2019

Soratana am-panambadiana amin’ny teratany Sinoa lahy ireo tovovavy Malagasy. Io no fomba entina hamoahana ireo tovovavy hamidy any ivelany miala eto Madagasikara.

 

 

 Efa tambajotra matanjaka hatrany ivelany izay misy ny mpandray ka hatramin’ireo tompon’andraikitry ny kaominina miray tsikombakomba amin’ny sora-panambadiana ara-panjakana ary ireo tokantrano itazonana ireo voangona sy ireo mpikaroka isan-tanàna no miray hina amin’ity varotra olona moderna ity. Araka ny fampitam-baovaon’ny polisim-pirenena, dimy mianadahy ka vehivavy ny telo ary teratany sinoa roa no tra-tehaky ny polisin’ny SES Anosy ny 2 martsa teo tany Ambohibary Moramanga tamin’io  fanondranana tovovavy mankany Sina io. Naharay vaovao ny polisy fa misy ramatoa iray mihazona ankizy vavy ao an-tranony ao Tsarahonenana haondrana any Sina.

Natao ny  vela-pandrika  ka  ny 2 martsa  tany amin’ny kaominina Ambohibary, distrikan’i Moramanga, olona miisa 8 no voasambotra teo am-panatanterahana fisoratam-panambadiana amin’ireo teratany sinoa. Ny telo amin’izy ireo dia tovovavy nokasaina  haondrana ka ny roa vao nosoratana, ny iray hafa kosa efa miandry fotoana andehanana. Ny  vehivavy   3 hafa dia tompon’andraikitra  voalohany amin’ny fanondranana. Nisy ny mpihaza sy mpandresy lahatra zatovovavy  ary  misy ny mihazona any an-trano fonenany miandry ny fandehanana. Rehefa vonona ireo dia ilay ramatoa farany no mandefa azy sy mampihaona azy amin’ireo teratany sinoa nohafarana.  Ity  farany dia efa  nokarohin’ny polisin’ny SES  nandritra ny roa taona.

84.000.000 Ar ny tovovavy iray

Nandritra ny fanadihadian’ny mpitandro ny filaminana no nahafantarana fa  500.000 ariary  isaky ny ankizy iray no azon’ireo  mpitady raha 2.000.000  isaky ny ankizy iray kosa ny an’ilay mpandefa mifandray amin’ny teratany sinoa. Fantatra ihany koa fa amidy 84 tapitrisa ariary na 150.000RNB ny zazavavy iray avy eto Madagasikara. Ireo teratany sinoa ampisoratana ireo tovovavy Malagasy dia fitaovana  entina hanamorana ny fivoahana. Tambazana vola kosa ireo tompon’andraikitry ny kaominina anatanterahana ny fisoratana. Natolotra ny fampanoavana omaly alarobia 06 martsa teo ny raharaha. Maneho ny fahantran’ny Malagasy ny famiravirana ny maha olona.

Haja Nirina

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

Hijery ny tohiny
FTT