Nanatontosa fifanakalozan-kevitra narahina asam-bondrona teny amin’ny «Le Pavé» Antaninarenina ny alakamisy teo ny UMRFJ (Union de Magistrats pour la Revalorisation de la Fonction de Juger).
Lohahevitra novoaboasana ny mikasika ireo fanondranana an-tsokosoko mandindona ny hoavin’ny zava-manan’aina eto Madagasikara. Nandray anjara tamin’ny adihevitra ny Birao mahaleotena miady amin’ny kolikoly (Bianco), ny zandarimariam-pirenena ary ny AVG (Alliance Voahary Gasy). Nisongadina tamin’io fihaonana io ny faharinganan’ny ala eto Madagasikara. 8 tapitrisa hektara sisa izany raha nahatratra 20 tapitrisa hektara tany amin’ny taona 1960, araka ny tatitry ny AVG. Marobe kosa ireo zava-manan’aina malagasy miondrana an-tsokosoko any ivelany toy ny sokatra, ny corail noir, ny hyppocampe, ny volamena ary ny omby, hoy ny avy amin’ny zandarimariam-pirenena. Ho lany tamingana tsy ho ela rahateo ny omby eto Madagasikara raha tsy mandray andraikitra isika, araka ny fanamarihan’ny manamboninahitra solontenan’ny zandary. Tranga nanaitra kosa ny firongatry ny trafikana sokatra nanomboka ny taona 2015, hoy ny teo anivon’ny fitsarana fampanoavana. Tsy nihoatra ny 2 isan-taona teo anelanelan’ny 2012 sy 2014. Nahatratra dimy anefa ny taona 2015, valo ny taona 2016 ary telo nandritra ny enim-bolana voalohan’ny taona 2017, hoy ny lehiben’ny mpampanoa lalàna.
Ramano F.
na
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.