Omaly dia nampiantso mpanao gazety ny ministry ny tontolo iainana ao amin’ny governemanta FAT, ny jeneraly Raveloharison Herilanto. Nilaza zavatra maro izy mikasika ny fanondranana “bois de rose” malaza tamin’ity fitondrana tetezamita ity. Anisan’ny navoitrany ny anaran’ireo voalaza fa voarohirohy amin’ity resaka ity.
Nahagaga fa tsy nisy olona avy amin’ny mpitondra tetezamita mihitsy voatonona. Izany Mamizara izany no voalaza fa tompon’ireo “bois de rose” sasany tratra. Izany Botofeno Thierry izany kosa no nolazain’ilay ministra ihany fa tompon’ireo “bois de rose” miisa 300 taonina tratra tany amin’ny faritra SAVA ary milanja 20 taonina tany Mananara izay tsy nolazaina moa ny tompony fa miisa fito izy ireo. Maromaro ireo fahatrarana “bois de rose” notanisain’ilay ministra saingy ny nahavariana dia tsy nisy nolazaina avokoa ny anaran’ny tompon’ireo hazo ireo. Raha ny nambarany fa totalin’ny “bois de rose” nahazo alalana hivoaka dia manodidina ny 10.596 taonina izany hatramin’ny volana septambra 2009. Fantatra ihany koa fa mbola misy tahirina “bois de rose” amin’izao fotoana izao izay miisa 89.550. Rehefa nanontaniana mikasika ilay tany Kaomôro kosa ilay ministra dia nilaza fa efa voatana am-ponja ilay komandin’ilay sambo nitondra ireo hazo ireo. Ilay tompon’ilay sambo kosa dia nolazainy fa lasa nitsoaka any La Réunion. Mikasika ireo olona FAT voatonona mikasika ity trafika ity moa dia nilaza ilay jeneraly fa ny fitsarana no hilaza ny marina. Nahavariana anefa ny anaran’ireo olon-kafa notononina soa aman-tsara. Mbola ho hita eo indray moa izay hiafaran’ireo “bois de rose” lazaina fa tahiry ireo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.