Actualités

Trafikana «bois de rose» Toamasina, Antananarivo, Mananara Avaratra no ifantohan’ny fanadihadiana


  • Alatsinainy 02 Aogositra 2010

Efa am-perinasa nanomboka tamin’ny herinandro lasa iny ilay komity manokana natsangan’ny ministeran’ny tontolo iainana sy ny ala, ary iarahany miasa amina ministera maromaro, amin’ny fanadihadiana ireo izay manao ny trafikana andramena na bolabola na “bois de rose” eto amintsika.

Efa nisy ihany koa ny famoahana anarana saingy mbola ireo mpiasa madinika, no navoaka, fa tsy nisy filazana ny mombamomba ireo tena atidoha mikotrika ity fandripahana ny harem-pirenena ity mihitsy aloha. Araka ny fantatra dia toerana telo hatreto no tena ifantohan’ny fanadihadiana, dia Antananarivo, Toamasina ary iny tapany avaratra atsinanan’ny nosy iny, izay ahitana an’i Mananara Avaratra, Maroantsetra ary ny faritr’i SAVA. Amin’ireo faritra ireo mantsy no tena misy ny tambajotra goavana amin’ity trafikana “bois de rose” ity. Araka ny fantatra dia avy any amin’ny faritr’i SAVA sy ny distrikan’i Maroantsetra ary Mananara Avaratra, no kapaina ny hazo, entina amin’ny sambo mankany Toamasina rehefa avy eo, ka araka ny tsiliantsofina re dia miditra an-tanety eo anelanelan’i Fenoarivo Atsinanana sy Foulpointe ireo “bois de rose” taterina amin’ny sambo ireo. Avy eo indray no entina amin’ny fiarabe izany ka ampidirina ao Toamasina amin’izay. Mbola misy tetika maty paika amin’ny fanaovana izany, araka ny ritsoka re ihany.

 Efa tena matanjaka ny tambajotra amin’ity raharaha maizina ity, izay ahitana mpitondra ambony, mpanao politika, mpitsara, manamboninahitra zandary sy polisy, mpiasan’ny ladoany, mpitatitra an-tanety sy an-dranomasina, banky ary mpandraharaha mazava ho azy. Araka ny fantatra ihany dia misy trano goavana (entrepôt) hametrahana ireo “bois de rose” ireo ao Toamasina, saingy olona manana ny maha izy azy sy mahitahita no tompony ka tsy afaka ny manao fisavana ao amin’ilay trano mihitsy ny mpitandro ny filaminana. Avy ao indray no alefa any amin’ny seranan-tsambo mba haondrana any ivelany ny entana. Marihina fa misy olona ao anatin’izao fitondrana tetezamita izao, sady zanak’i Toamasina, voalaza fa manamora ny fikarakarana sy ny resaka ifanaovana amin’ny manampahefana rehetra amin’ny hetsika ka mahazo vola misimisy ihany. Re fa dia nisy mpandraharaha Sinoa manana ny maha izy azy ao Toamasina, efa lasa nisintaka any Chine amin’izao fotoana satria notadiavin’ny vondron’olona sasany ao anatin’ny fitondrana tetezamita hamatrarana ny rihatra rehetra amin’ity trafikana “bois de rose” ity. Ity mpandraharaha Sinoa ity moa no voalaza fa nahita ny mpividy sy mpandray ireo hazo sarobidy avy eto amintsika, ka any Hong Kong no hanondranana ny ampahany betsaka amin’izany. Miandry ny tena marina amin’ny fanadihadiana momba ity raharaha hiodinana vola an-jatony miliara ity ny rehetra, ary manantena fa tena havoaka, araka ny nambaran’i Andry Rajoelina tokoa ny anaran’ireo manao izany, na olon-tsotra izy na mpandraharaha na manampahefana.

 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

  • SAVOROVORO TENY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

AMIN'NY 67 HA

  • HERISETRA AMIN’NY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

MAHALAHY SY MAHAVAVY

  • Saran'ny fampiasana "drones"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Mahatratra 1 560 000Ar hatreto...

  • Firosoana amin’ny
  • Alarobia 29 Aprily 2026

fampiasàna nomerika

Hijery ny tohiny
FTT