Actualités

Trafikana «bois de rose» Nisy bolabola 110 tratra indray omaly


  • Alakamisy 05 Aogositra 2010


Tao an-tokotanin’olon-tsotra, «villa Ali», ao Mangarano II Toamasina no nahatraran’ny zandary avy amin’ny Groupement Toamasina azy ireo. Ny kolonely Botou Estelin mihitsy no nitarika ny hetsika, niainga avy amin’ny fanomezam-baovao avy amin’olon-tsotra azony, ka nahatrarana ireto hazo sarobidy ireto, niaraka tamin’ny ny talen’ny sampandraharahan’ny ala ao Toamasina. Araka ny fantatra dia vao ny talata 03 aogositra no nanisihana azy ireo tao anaty kaontenera «20 pieds» ireny. Ary mbola misy kaontenera roa hafa, samy «20 pieds» avokoa, kasaina mbola hofenoina ihany koa. Midika io fa tsy vao sambany ity trafika ity matoa misy kaontenera mbola vonona hosesefana hazo. «O-Z-N» no marika famantarana hita amin’ny hazo.

Araka ny loharanom-baovao akaiky ny zandary dia ireo “bois de rose” tratra tao Tanambao Anosibe ary efa nogiazana ireto no nisy namindra tany ambadimbadika tany dia izao tratra indray. Midika io fa dia misy tambajotra goavana ao ambadik’ity resaka ity. Mbola fananan’ireo olona notononin’ny ministry ny tontolo iainana sy ny ala, Raveloharison Herilanto ve ireto sa hafa mihitsy. Mbola hitohy !
 
Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT