Actualités

Trafikana «bois de rose» Miteniteny ny vola ao Toamasina ao


  • Alarobia 14 Jolay 2010

Nivory nihidy aman-trano tao amin’ny Lapan’ny Faritra Atsinanana ny zoma 09 jolay teo ireo tompon’andraiki-panjakana samihafa nandinika momba ity resaka “bois de rose” ity.

May volon-tratra ny ministeran’ny tontolo iainana izay tsy nitsahatra namoaka lalàna sy didy samihafa sy ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimaria, izay lehiben’ireo zandary mpanara-maso ny lalam-pirenena faha-05 sy ny sisin-dranomasina zary “pasoara”, ary ny faritra Atsinanana izay vavahady fidirana sy fivoahan’ireo andramena ireo faramparany teo. Nasaina koa ny lehiben’ny fampanoavana ao amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany Toamasina, ny “receveur”-n’ny ladoany Toamasina, ny mpandraharaha vitsivitsy ary tazana tao koa ny PDS-n’ny kaominin’i Toamasina I izay efa ministry ny tontolo iainana teo aloha.

Halatra sonia
Hagagana ny an’ny mpanao gazety raha nandre ny filazan’ny lehiben’ny Faritra Atsinanana, Alain Mahavimbina, raha nanontany ny antony mahatonga izao fivoahana “bois de rose” lava izao ny ministry ny tontolo iainana, jeneraly Raveloharison Herilanto sy ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimaria, jeneraly Randrianazary, fa sady mangala-tsonia ireo mpandraharaha an-tsokosoko ity andramena ity ao Toamasina, no mampiasa taratasy sandoka hamoahana tsy misy arakaraka ny hazo angalariny. Ny fanontaniana mipetraka dia hoe : sonian’iza no misy mangalatra ? Taratasy sandoka avy aiza no misy mampiasa ? Hatramin’izao mantsy, tsy mbola nisy na iray aza fitoriana mipetraka eny anivon’ny fitsarana Toamasina nataon’ireo voalaza fa lasibatry ny halatra sonia sy ny taratasy sandoka miely io koa. Ny hany taratasy hita etsy eroa dia ny “PV” na taratasy fitanana an-tsoratra entin’ny “Task-Force” milaza fa efa vita “saisie” tany am-piaingana ireo hazo tratra ireo.
Samy milaza azy ho madio tanana avokoa ny rehetra manodidina ity trafikana “bois de rose” mahazo vahana ity. Ny feo miely etsy sy eroa anefa no milaza fa “ny vola ihany no erany dia mandeha tsy misy mpanakana ny afera”. Amin’ireo “bois de rose” tratra in-droa miantoana, ny alahady 04 jolay izay efatra kamio fa tsy telo araka ny nambara, tratra tao Ambalamanasa, sy ireo kamio roa nitondra bolabola miisa 118 sarona ny talata 06 jolay tao Antanambao Nosibe, dia mandeha ny feo fa misy vola 65 tapitrisa ariary izany mihodina any an-dalatsaran’ny biraom-panjakana any hampanginana iny afera iny. Loharanom-baovao hafa indray koa aza no milaza fa misy vola manodidina ny 200 tapitrisa Ariary izany hifampizarana raha milamina tsy misy arakaraka ny raharaha.
Tsy re tsaika
Tsy fantatra na misy ifandraisany amin’io vola be mihodinkodina io na resaka hafa mihitsy, fa hatramin’izao na dia efa herinandro aza izao no nanaovana fanadihadiana ireo mpamily sy ny mpanampy azy ary ny nambara fa mpandraharaha tompon’ny bolabola tratra teny amin’ny zandary Toamasina, dia tsy mbola re tsaika eny amin’ny fitsarana ny raharaha. Ireo mpandraharaha mifaningotra amin’ity resaka ity koa aza tsy misy tsy mahita ny mponina ao Toamasina, fa miriorio tsy amin’ahiahy anaty fiara tsara tarehy mivezivezy eran’ny tanàna tsy misy mpisambotra. Ireto mpivory ny zoma teo anefa dia nanamafy taorian’ny fihaonana nataony fa “tsy handeferana ny fanapahana sy fitaterana ary fanondranana ny bolabola eto amintsika, hohamafisina ny fanaraha-maso ataon’ny mpitandro ny filaminana sy ny ladoany, hojerena ny fanatsarana ny fehezan-dalàna famaizana hanamafisana ny sazy ho an’izay tratra momba ity resaka andramena ity”.
 
Ankoatra izay, henjana angamba ny fangataham-panazavana nandritra ny fivoriana maika nihidy aman-trano tao tamin’ny lapan’ny Faritra Atsinanana natao ny zoma 09 jolay ity, fa raha ny zavatra tsikaritra dia tsy mitsahatra mivoaka sy miditra ny efitrano fivoriana ny lehiben’ny Faritra, Alain Mahavimbina, miresaka mitokana amin’ny Inspekteran’ny faritra, Kalo Narcisse. Tetsy ankilan’izay, dia hita teny ivelan’ny lapa nivoriana kosa ireo “mpandraharaha” niandry izay ho valin’ny dinika sy te hahalala ny fandehan-javatra marina manodidina ity resaka andramena ity.
 
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

  • SAVOROVORO TENY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

AMIN'NY 67 HA

  • HERISETRA AMIN’NY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

MAHALAHY SY MAHAVAVY

  • Saran'ny fampiasana "drones"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Mahatratra 1 560 000Ar hatreto...

  • Firosoana amin’ny
  • Alarobia 29 Aprily 2026

fampiasĂ na nomerika

Hijery ny tohiny
FTT