Actualités

Trafikana «bois de rose» Mangina tsy andrenesam-peo ny APMF


  • Talata 13 Jolay 2010


An-jatony taonina hafa koa no mivezivezy any an-dranomasina sy ranomamy malagasy any. Tratra tany Kaomôro ny sambo “Soavina III” nitondra “bois de rose” an-tsokosoko 300 taonina be izao, ifampitadiavana tany amin’iny morontsiraka avaratra atsinanana iny ny sambo iray ny farany volana jona teo noho ny resaka “bois de rose” ihany. Nisy koa sambo nitsofoka tao Andevoranto koa nanatitra “boise de rose” amin’ny andro alina. Santionany ihany ireo. Betsaka no tsy ara-dalàna, nisy koa anefa ny nahazo fahazoan-dalana “manokana” avy amin’ny governemanta ny nanondranana ireny hazo sarobidy ireny. Fa izay eo ihany, fa sehatra iray eo ambany fanaraha-mason’ny APMF (Agence Portuaire Maritime et Fluviale) ny fitaterana an-dranomasina sy an-dranomamy. Azo antoka koa fa tsy ho ambany maso tsy mahita ny APMF tamin’ny fiaingan’ireny sambo ireny tany amin’ny seranana samihafa tany na koa izay mety ho fifanarahana nifanaovan’ny fanjakana tamin’ireo kaompaniam-pitaterana an-dranomasina na vaventy io na salantsalany nitatitra ireny hazo sarobidy ireny. Ny manaitra amin’ity raharaha ity anefa dia tsy nandrenesam-peo io masoivohon’ny fitaterana an-dranomasina io na mba nahazoam-panazavana na dia izao tontolo izao aza no milaza fa fandrobana harem-pirenena mihitsy no miseho ankehitriny mikasika ity “bois de rose” ity. 

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT