Actualités

Trafikana «bois de rose» Efa tambajotra matanjaka ary miteniteny ny vola


  • Talata 07 Septambra 2010

Nanomboka omaly alatsinainy 06 septambra ny fanadihadiana lalina iarahan’ny zandary sy ny talem-paritry ny tontolo iainana ary ny ladoany, mikasika ilay «bois de rose» efatra kaontenera voageja nanomboka ny sabotsy hariva teo ary voaporofo ny alahady maraina, tao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina na ny marimarina ao amin’ny faritra fanobiana kaontenera tantanan’ny MICTSL.

Atomboka amin’ny mpamily ireo fiara vaventy ny fanadihadiana rehetra, ary hofaranana (?) amin’ireo mety ho tompony.Tsy tongatonga ho azy tao anaty kaontenera sy tao amin’ny Port ary efa saika lasa tany Malezia avy eo Hong-Kong, ireto «bois de rose» sady vaventy no lafo vidy tao anaty kaontenera ireo, raha tsy tambajotra matanjaka niarahan’ny tsy miankina sy ny mpandraharaha ary ny mpiasam-panjakana (mety ho mpitondra fanjakana mihitsy aza). Tamin’ity afera indray mitoraka ity mantsy dia mbola re sy natao nanakoako indray ilay teny hoe “nampiasa taratasy hosoka” ireo saika hanondrana ireto «bois de rose» tratra ireto. Ny nahagaga anefa raha ny zoma 03 septambra no nahatongavan’ny entana nandalo ny ladoany sy ny fitaovana fanaraha-maso (scanner) ary ny fisavana ny taratasy rehetra, dia tsy nisy na iray aza nilaza fa hosoka ny taratasy fanambarana fanondranana ireo entana ireo.

Efa tonga teo an-tokotaniben’ny MICSTL ny kaontenera ary efa eo am-pitaomana azy ireo ho eny ambony sambo hitondra azy any Malezia sy Hong-Kong, vao tratra ny nafenina. Nambaran’ny talem-paritry ny tontolo iainana sy ny ala Toamasina fa misy kaontenera roa feno hazo manana taratasy ara-dalàna sy nahaloa volam-panjakana mifanaraka amin’izany ka azo aondrana tsara. Tsy fantatra mazava kosa anefa hoe iza amin’ireo kaontenera tratra ireo no tiany hambara.

Miteny ny vola

Nambaran’ny “receveur”-n’ny ladoany Toamasina koa fa ny taratasy ahafahana manondrana ireo kaontenera dimy voalohany izay misy hazo kininina sy kesika niditra tao amin’ny port ny 20 aogositra, ihany no nalaina ary nanaovana hosoka hanondranana ireo kaontenera nisy “bois de rose”. Na izany anefa, araka ny baiko farany napetraky ny tale jeneralin’ny ladoany hisoroana ny fanondranana an-tsokosoko bolabola na harem-pirenena hafa, dia tsy maintsy atao “visite” avokoa ny entana rehetra, indrindra fa ireo mampiahiahy eo am-pitiliana azy amin’ny “scanner”. Ireto hazo ireto anefa tsy nanaovana izany, fa ny fahitana ny soratra hazo kininina sy kesika fotsiny dia nampitony ny mpiasa mpanara-maso ny zavatra hitany. Manginy fotsiny ao anatin’izay ny mpiray tendro sy mpisava ny lalana hanamora ny fitaterana ny entana, ka eo no miditra ny hafa izay mahavoatonontonona anarana kolonely eny Mahazoarivo eny. Ireo mpandraharaha mifaningotra ao anatin’ity afera ity indray dia ny entany tsy misy olana no tanjony, ka miasa sy miteny ny vola mandritra ny “opération” atao.
Efa ho fantatra avy hatrany ny mety ho vokatry ny fanadihadiana amin’ity raharaha ity. Saika ireo mpandraharaha efa nandalo matetika teo anivon’ny zandary tamin’ireo “bois de rose” tratra ary nalaza be teo aloha ireny avokoa no mifaningotra amin’izy ity. Tsy nisy anefa na iray tamin’izy ireo aza niditra am-ponja.
 
Miampy manamboninahitra kolonely sy mpiasa ambony ara-panjakana ary zandary nitolona niaro ny fitondrana FAT indray izy ireo amin’ity afera ity, ka iza no sahy hikitika azy ireo ? Efa betsaka koa izay antontan-taratasin’ady nalefa teny amin’ny fitsarana izay, fa ireo “apombo lahy” (mpamily sy ny mpibata entana) ihany no voatana am-ponja. Ka manahy ny maro fa sao ho sarin’ady fotsiny indray ity fanadihadiana mandeha ity. Mikasika izay indrindra dia nahitana fivoriana miafina etsy sy eroa nitranga tao Toamasina omaly alatsinainy. Ankilan’izay, dia lasa vavahady fidiran’ny entana maloto sy hosoka avy eto Madagasikara izany izao i Malezia, ary lasa varavarana mampiditra ireo entana hosoka avy any Chine eto amintsika ihany koa.
 
 
Nangonin’i Jean D.
 
Encadré :
Raha tonga tao Toamasina i Camille Vital dia nilaza fa “mila saziana sy tsoahina amin’ilay ‘transitaire’ nisahana ny kaontenera ny fahazoan-dalana ahafahany manao ny asa ‘transit’ ao amin’ny ladoany”. Tsy noresahany kosa anefa ny mikasika ireo kolonely roa voatonona ao anatin’ity raharaha ity, sy ilay enspekiteran’ny ladoany Antanimena ary ny mpiasan’ny SGS “GasyNet” mpiray tendro tamin’ity raharaha ity.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT