Omaly no nifanatrika tamin’ny Solombavambahoaka teny amin’ny lapan’i Tsimbazaza ny praiminisitra lehiben’ny governemanta ny jeneraly Jean Ravelonarivo.
Fotoana ihany koa nanaovan’ity farany ny tatitra ny zava-bita sy nihainoany ny fanontanian’ireo Solombavambahoaka. Nisongadina tamin’ity fihaonana ity ny fitarainan’ireo solombavambahoaka mikasika ny tsy fandriampahalemana sy ny asan-dahalo, ny ady amin’ny fanondranana harem-pirenena toy ny volamena sy ny vatosoa fa indrindra ny andramena. Nanambara ny praiminisitra fa efa misy fitaovana arifomba napetraka hiadiana amin’ny fanondranana ny andramena any Maroantsetra sy Toamasina. Nambaran’ny lehiben’ny governemanta ihany koa fa haverina aty Madagasikara avokoa ireo andramena tratra tany ivelany ary hamidy ary hiditra ao amin’ny kitapom-bolam-panjakana ny vola.
Trafika any Sina
Fa ny tena mahavalalanina dia ny praiminisitra milokaloka fa tsy maintsy ho foana io kolikolina ‘andramena na boaderozy io kanefa vao omaly no omaly no re fa misy andramena avy aty Madagasikara tonga tany Sina tamin’ny faran’ny volana aprily teo ary efa manomboka mandoa tsikelikely ny vidin’izany entana izany amin’ilay malagasy tompon’ny afera ireo teratany sinoa nividy ny hazo. Fantatra fa mitentina hatrany amin’ny 24 miliara ariary ny vola andrasan’ity Malagasy ity amin’ireo Sinoa mpividy ny entana. Marihina fa io malagasy mivarotra ireo hazo ireo dia efa ho sivy volana no nilentika tany Sina fa ny mpiara-misaika aminy no nandefa ny entana. Natahotra ny hotifirin’ny jeneraly Paza Didier Gérard sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena amin’ny “lance-roquette” angamba, araka ny nambarany tao amin’ny haino aman-jery iray teto an-drenivohitra tamin’ny andron’ny praiminisitra Kolo Roger. Momba ny jeneraly Jean Ravelonarivo indray dia betsaka izay nolazainy amin’ny ady amin’ny fanondranana andramena izay hatramin’ny fananganana fitsarana manokana fa ny andrasana dia ny vokatra izany hoe ilay ho tratra mba tsy ho lasan-ko resaka fotsiny ihany.
Mody fanina ?
Ny tena mahagaga ihany koa dia ny fahanginan’ny masoivoho Sinoa eto Madagasikara na dia efa fantatra manerana izao tontolo izao aza fa miondrana ny Sina ny 95%-n’ny hazo sarobidy avy aty Madagasikara. Ity masoivoho ity izay in-telo no tonga nanolotra fanampiana teny Mahazoarivo ho an’ireo traboina nandritra ny fiakaran’ny rano sy vokatry ny fandalovan’ny rivodoza. Raha izany vola be izany anefa no tafiditra amin’ny kitapom-bolam-panjakana dia efa milamina ny Paritra Malagasy zary ohabolana sy ny Paikady natao dinasan’Atoa praiminisitra.
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.