Nikatona ny fanadihadian’ny Bianco ny dosie lehibe momba ny fanondranana boaderozy tany amin’ny Faritra Soanierana Ivongo.
Nanomboka ny taona 2015 no nanokafan’ny rantsan’ny Bianco any Toamasina ny fanadihadiana lalina, izay vita soa aman-tsara na nisy aza ny fahasarotana isan-karazany. Manampahefana sivily sy miaramila maromaro tao amin’ny distrikan’i Soanierana Ivongo sy ny Faritra Analanjirofo no tafiditra tao anatin’ny afera fanondranana andramena an-tsokosoko, raha ny tatitra nataon’ny Bianco. Ny antontam-baovao voaangon’izy ireo no nahalalana fa ny fiandohan’ny taona 2014, dia nisy sambo tra-doza sy nihitsoka tany amin’ny morontsiraka manakaiky ny kaominina Manankatafana, distrikan’i Soanierana Ivongo. Anton’izany ny vesatra tafahoatra, izay andramena no nameno ny sambo. Nisy ny ekipan’ny mpitandro ny filaminana tao an-toerana nalefa haingana nanampy ny teny an-tsambo hanafaingana ny fanalana ny andramena tsy ara-dalàna ary hanafina azy ireo anaty tora-pasika manamorona ny ranomasina. Fomba efa mahazatra eo amin’ny tontolon’ny fanondranana an-tsokosoko andramena izany. Rehefa tanteraka ny fanitrihana dia namory mpanao gazety ireo manampahefana tao an-toerana ary nilaza fa tsy misy na tamingana boaderozy, araka ny feo, efa nanomboka niparitaka hita tao anatin’ny sambo fa babangoana. Nisy olona tsara sitrapo tsy mbola fantatra anarana hatramin’izao kosa nijoro sy nanitrikitrika ny fisian'ny hazo sarobidy tao anaty sambo ary nalevina teo amoron-dranomasina. Ankoatra izay, ny kaomandin’ny vondrom-paritry ny zandarimariam-pirenena tamin'izany fotoana dia niha nanan-karena haingana dia haingana. Nandeha ny fanadihadiana momba ny fanararaotam-pahefana, hosoka, fanondranana hazo sarobidy an-tsokosoko, izay nohalalinina, ka tafiditra tao anatiny io lehiben’ny zandary io, ny lehiben'ny distrikan’i Soanierana Ivongo teo aloha sy olona dimy hafa nandray anjara tamin'ity trafika ity. Natolotra ny fitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny CPAC omaly zoma 15 desambra 2017 izy ireo.
Raha ny vaovao azo farany dia nahazo fahafahana vonjimaika avokoa ireo rehetra voarohirohy tamin’ny raharahana boaderozy tany Soanierana Ivongo ity , rehefa nohadihadiana teny amin’ny fitsarana manokana momba ny ady amin’ny kolikoly teny 67ha.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.