Henjana ny sazy ho an’ireo mpanao aferana hazo sarobidy (bois de rose /bois d’ébčne) ao amin’ilay volavolan-dalŕna vaovao norafetin’ny governemanta satria raha araka ny fanazavan’ny praiminisitra omaly
teny amin’ny antenimieram-pirenena dia sazy mihatra 10 taona avy hatrany ny an’ireo izay tratra manapaka hazo sarobidy tsy nahazoana alalana, eny fa na dia hazo iray monja aza izany. 20 taona migadra an-tranomaizina kosa no miandry ireo mpaniraka na atidoha amin’ny resaka trafikana boaderozy. Henjana ary hentitra tokoa ity volavolan-dalàna ity satria tsy afaka mangataka fahafahana vonjimaika na LP ireo voarohirohy, tsy afaka mampiakatra fitsarana amin’ny ambaratonga ambony ihany koa, fa raha tsy afa-po amin’ny didy dia mandeha avy hatrany any amin’ny fitsarana mpandrava didy (cour de cassation). Handalo eny amin’ireo solombavambahoaka mba hodinihana sy holaniana mandritra ny fotoam-pivoriana amin’izao fotoana ity volavolan-dalàna ity raha araka ny resaky ny praiminisitra omaly.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.