Trafikana boaderôzy ! Mbola lavitra ny dia ho an’i Madagasikara raha ady amin’ny fanondranana an-tsokosoko hazo sarobidy.
Ny mahagaga aza dia arakaraka ny anaovan’ny Fanjakana fanambarana fa hatao hazalambo ary tsy misy indrafo amin’ny mpanao trafika no toa vao mainka mampirongatra ny fanondranana an-tsokosoko ity hazo sarobidy ity. Re ao anatiny ao na olom-boafidy na olom-panjakana na sivily na mpanao politika, eny fa hatramin’ny mpitandro ny filaminana aza. Ny mahagaga dia efa hazo tratra any Comores, Maorisy, Chine, Thailande, Zanzibar… vao fantatra fa nisy hazo tafaporitsaka avy eto Madagasikara. Tsy mba ampolony na an-jatony fa an’arivony taonina mihitsy. Re izao fa misy manamboninahitra jeneraly tafiditra amin’io afera maizina io, ary arahi-maso fatratra. Hanam-pahasahina hanokatra fanadihadiana aminy, ka hisambotra ve anefa ny fanjakana amin’ny alalan’ny governemanta ? Ny governemanta Ravelonarivo izay nilokaloka ny hanangana fitsarana manokana natokana hitsarana ireo mpanao trafika boaderôzy, fitsarana izay tsy mety mahita masoandro hatramin’izao. Ny governemanta izay nanambara fa nitifitra avy hatrany amin’ny “lance-rocquette” izay sambo tratra mitatitra boaderôzy, nefa hatramin’izao na tafondro in-dray mandeha aza tsy nipoaka. Ireny aza moa ny praiminisitra tamin’ny tetezamita Beriziky Jean Omer mbola nanamafy fa nanome lisitra mpanao trafikana boaderôzy an’izao fitondrana voafidim-bahoaka izao, nefa hatramin’izao tsy misy resaka hatramin’izao. Ao anatin’io lisitra io ve ity jeneraly arahi-maso ity, sa vaovao hatovana ny lisitra efa any am-pelatanan’ny mpitondra ? Ho hita eo ny tohiny !
Rabri
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.