Actualités

Trafikana boaderozy Ezahana saronana ny “raharaha Singapour”


  • Sabotsy 09 Desambra 2017

Niaraha-nandre ny fanapahan-kevitry ny CITES na ny fifanarahana momba ny varotra iraisam-pirenena mikasika ny zava-manan’aina sy zava-maniry ahiana ho lany tamingana amin’ny mbola fitohizan’ny sazy ho an’i Madagasikara momba ny tsy fahafahana manondrana sy mivarotra hazo sarobidy.

Nibaribary ny filazana fa tsy nisy ny ezaka nataon’ny fanjakana Malagasy amin’ny ady amin’ny fandripahana sy ny famotehana hazo sarobidy, ary nanome baiko sy nandrisika amin’ny fampitomboana avo roa heny ny ady atao amin’izany ny WWF. Mety ho antony ny raharaha bolabolana andramena 30 000 isa sarona tany Singapour ny taona 2014, izay toa narirarira hatrany satria vao niandoha ity raharaha ity, dia efa nivadibadi-dela ny fanjakana. Ny minisitra tamin’izany fotoana Ramparany Anthèlme nilaza, fa ara-dalàna ny fanondranana ary nisy mihitsy ny dia nataony niaraka tamina delegasionina maromaro tany Singapour ny taona 2014. Rehefa niala izy dia nijoro indray i Beboarimisa Ralava nilaza fa tsy ara-dalàna ny fanondranana. Voalaza ho nanampy azy sy nijoro hiady tamin’io fikatsahana ny marina momba io andramena io ny praiminisitra Ravelonarivo, ka nalaza fa antony iray nanesorana azy ireo ny fidirana lalina tamin’io afera io. Tsy fantatra izay tena marina sy diso. Mbetika nambaran’ny fanjakana fa hampodiana ireo andramena, indraindray nilaza fa hisy ny antso tolo-bidy iraisam-pirenena. Efa re ihany koa fa simba ireo hazo sarobidy. Tsy namaky loha sy toa nampangina ny raharaha ny fanjakana HVM. Ny fitsarana tany Singapour no nanao fanenjehana ara-pitsarana fa ny mpitondra Malagasy tsy hita izay tena natao tao anatin’ny 3 taona (2014-2017), hany ka ny faramparan’ny volana martsa 2017, dia notakian’ny fitsarana any an-toerana ny hanagadrana 18 volana an’ilay teratany sinoa Wong Wee Keong 56 taona, tompon'ny orinasa Kong Hoo, tompon'antoka tamin'ny  fanondranana ireo andramena sy ny handoavany onitra 50 tapitrisa dolara. Teo ny fanjakana vao mody nilaza fa manaiky ho mpitory. Tsy maintsy nisy Malagasy tompon’andraikitra ambony niray tendro taminy, saingy mba nisy nohenjehina ve? Nisy tokoa ilay fitsarana tany Singapour, saingy mba niraharaha ny tohiny ve ny mpitondra eto ? Tena nigadra tokoa ve ilay sinoa ? Nisy ihany ve ny fandoavana ilay onitra, ary iza no nahazo azy raha nisy ary nankaiza ny vola ?


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT