Habibiana tsy nisy toy izany no nitranga tao Sirama Ambilobe ny sabotsy alina lasa teo. zazavavy kely iray vao dimy taona monja efa nampandrian-dReniny teo am-pandriana no nisy naka an-keriny sy nalana taova raha mbola lasa natsaka rano sy nandro ity farany.
Ny alahady vao mangiran-dratsy, tsy lavitry ny trano fonenany no hita ny razana, efa nihoson-drà sy nivonto be ny fivaviany raha tapaka nivelatra be ihany koa ny fehin’ilay tsy manan-tsiny. Raha araka ny fanazavan’ireo fianakaviany dia ny tranon-janak’ity zazavavy kely ity mihitsy no nalain’ireo tsy mataho-tody, antony nitarika ny fahafatesany. Raha ny tombatomban’ireo fianakavian’ity zazavavy kely namoy ny ainy ity hatrany moa dia efa tetika nomanin’ireo tsy mataho-tody mihitsy izao asa ratsy izao. Efa ao anatin’ny fanadihadiana tanteraka moa ireo mpitandro ny filaminana any an-toerana amin’izao fotoana izao. Marihina fa tsy mbola nisy tranga nampatahotra tahaka izao tany Ambilobe hatramin’izay ka mahatonga ahiahy goavana amin’ny fiarahamonina ilay izy hoe resaka trafiakana taova ve sa resaka hafa tahaka ny fanaovana sorona ohatra.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.