Tahaka ireo raharaha “bois de rose” rehetra teo aloha, dia tsy nangina tanteraka koa ny momba ireo telo kamiao tratra tamin’ny RN5 ny 10 desambra 2012 teo.
Na izy telo lahy mpamilin’ireo fiara be nitatitra ireo bolabolan’andramena avy any Soanierana Ivongo, hihazo an’i Toamasina tampon-tanàna, aza tsy misy hita na tratra. Tsy mbola nisy koa tatitra ofisialy milaza ny tena isan’ireo bolabola izay naterina eo anivon’ny tobin’ny zandary mba hiarovana azy ireo sy nigiazana ilay fiara vaventy nitondra an-tsokosoko ireto andramena.
Maro noho izany ireo mihevitra fa vitavita ho azy any ambadika any ity raharaha “bois de rose” ity. Tranga izay toa milaza fa dia sady tsy ho farany no mbola hitranga foana. Nandalo mangina tao Toamasina Atoa Emmanuel Rakotovahiny, mpanolotsaina manokan’ny praiminisitra Jean Omer Beriziky eo amin’ny raharaha tontolo iainana ny faran’ny herinandro teo nanao fanadihadiana sy nitondra hafatra tamin’ny talen’ny ala sy ny tontolo iainana Toamasina, nijery ireo andramena efa voageja ary ny fandintseranana Toamasina, ka dia ho hita eo ny tohiny.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.