Actualités

Trafika «bois de rose» Vaky bantsilana tao Antalaha


  • Zoma 17 Septambra 2010

Vaky ny resaka. Nitondra fanazavana narahina porofo voarakitra anatina boky ny Profesora Albert Zafy mikasika ny raharaha «bois de rose». Ny vahoakan’Antalaha no namoahany voalohany ireto porofo isan-karazany ireto.

Mikasika an’io no votoatin’ny lahateniny nandritra ny fitsidiham-paritra nataon’ny Ankolafy Telo ny tanànan’Antalaha ny alarobia 15 septambra 2010. Nomarihin’ny Profesora fa nangonina avy amin’ny fanadihadiana iraisam-pirenena mahakasika manokana ny fanondranana hazo sarobidy eto Madagasikara natao vao tsy ela akory izay ity boky mirakitra ny lisitry ny tena mpanondrana azy ireo amin’izao fotoana izao sy ny isan’ny hazo voaondrana an-tsokosoko ary ny toerana handefasana azy ity. Ao anatin’izay indrindra ary no nampiasan’ny mpanadihady mari-drefy iray ka hatramin’ny folo ny mpanondrana kely ka hatramin’ny be indrindra ny “bois de rose” nanomboka ny taona 2001.

Lisitra

Nivoaka tao anatin’izay fa ny fitondrana tarihin’i Andry Rajoelina amin’izao fotoana izao no mipetraka amin’ny mari-drefy ambony indrindra ao anatin’ny mpanondrana hazo sarobidy. Orinasa akaikin’ny mpitondra amin’izao fotoana izao ihany koa no manaraka azy araka ny fanazavan’ny Profesora. Maro amin’ny mambra ao amin’ny governemanta Camille Vital no ao anatin’ny lisitra miaraka amina vahiny maro be. Ny olana, hoy ihany izy nanohy ny teniny, dia ny tsy fahafahan’ny faritra sy ny vahoaka ivoahan’ny hazo toa an’Antalaha mampiasa ny vola azo avy amin’ny fitrandrahana ny harena ananany tahaka izao, vokatry ny fanaovan’ny mpitondra tsy ara-dalàna amin’izao fotoana izao, ampihimamba ny harem-pirenena. Nanamafy izany avokoa ny solontenan’ny mponina ao Antalaha ka naneho ny tsy fahafaliany ary nitondra ny fitarainany tamin’ireto mpitarika ny Ankolafy Telo ireto.

 
Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT