Maro ny ranomainty lany mikasika ity resaka «bois de rose» malagasy ity, tsy eto Madagasikara ihany fa manerana izao tontolo izao.
Betsaka ny resaka mandeha sy ny fijoroana vavolombelona ataon’ireny fikambanana miaro ny tontolo iainana ireny mikasika ny fandripahana «bois de rose» amin’ny ala arovana eto Madagasikara, indrindra amin’iny ilany avaratra atsinanan’ny Nosy iny. Hafa mihitsy anefa ny fipetraky ny raharaha raha mihaino ny Lehiben’ny Faritra Analanjirofo, mikasika ny fivoahan’ny andramena an-tsokosoko. Mandre izy saingy “tsy mbola nisy aloha ny tena tratra ambodiomby hatreto”. Ho an’ilay sambo iray nolazaina fa nitondra bois de rose, volana vitsy lasa mantsy izay, dia nambaran’ity lehiben’ny Faritra ity fa fiara 4x4 iray no tao anatiny niampy “cageot vide” maromaro.
Hihazo an’i Toamasina ity sambo ity no nanaovana fisavana ary tsy nahitana “bois de rose” tao anatiny na dia iray aza, araka ny fanazavan’i Saina Michel. Toraka izany koa ilay sambo iray nitondra “kits scolaires”, fanomezana avy amin’ny UNICEF nihazo an’i Maroantsetra izay voalaza ihany koa fa feno “bois de rose” nefa tsy nahitana izany akory. Hatreto izany, araka ny nambaran’ity lehiben’ny faritra ity dia tsy mbola nisy ny fivoahana “bois de rose” an-tsokosoko tao amin’ny Faritra iadidiany. De gaga elah ! Dia izay ve izany no mampaharitra azy amin’io toeran’ny Lehiben’ny Faritra io ?
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.