Nizaran’ny minisitry ny mponina ramatoa Onitiana Realy, bodofotsy ireo vehivavy bevohoka sy tera-bao ary ireo kilonga madinika eny amin’ny tobin’ny traboina eny Andohatapenaka ny sabotsy lasa teo, hitsinjovana ny fahatongavan’ny ririnina.
Vola mitotaly 500 dolara voangon’ireo Malagasy monina any Etazonia ka natolotr’izy ireo an-dRamatoa minisitra nandritra ny diany farany tany Etazonia no nividianana ireo lamba firakotra ireo. Mbola misy mari-bola 2505,50 euros ihany koa voangon’ireo Malagasy monina atsy amin’ny nosy la Réunion nomena ny minisitry ny mponina ka mbola hitsinjovana ny filan’ireo traboina eny Andohatapenaka ireo ihany koa. Tsiahivina hatrany fa ny 15 mey izao no hikatona ity tobin’Andohatapenaka ity ary ny alarobia 15 aprily izao no hisy fizarana sakafo farany.
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.