Mbola mahatratra 150 tokantrano amin’izao ireo traboina tsy manan-kialofana etsy Anosimahavelona misy ny Fokontanin’Ankeniheny ao anatin’ny kaominina Tanjombato sy ny Boriborintany fahefatra. Antony dia betsaka amin’izy ireo no rava trano sy very fananana ankoatra ireo mbola miaina anaty rano.
Vokany, nisy tamin’izy ireo no lasa nifindra monina eny Andohatapenaka raha misy koa ireo lasa eny amin’ny fokontany sy ny EPP eny amin’ny manodidina. Ankoatra izay dia misy ireo nomen-dry masera ao Tanjombato trano lay ka nanorim-ponenana eny amin’ny misy azy ihany. Nanjary noraisin’ny fiangonana katolika Anosimahavelona an-tanana ny fiahiana azy ireo. Mba hahafahana mijery akaiky ny isan-tokantrano ary indrindra fa ny ankizy madinika dia nanolotra lelavola 408.000 Ar ho azy ireo ny mpianatry ny sekoly Andrian’ school etsy Andoharanofotsy. 3.000 Ar isaky ny mpianatra no nangonin’izy ireo tamin’izany, ody ambavafo avy tamin-dray aman-dreniny, niampy fitafiana tsy hampiasaina intsony fito gony avy amin’ny mpianatra sy ny mpampianatra ary ireo mpandraharaha ao amin’ny sekoly.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.