Actualités

Traboina eto an-drenivohitra Miaina ao anatin’ny tsy fahampiana lava


  • Alatsinainy 09 Martsa 2015

Efa ho tapa-bolana izao no niainan-dRazafindrakoto Lalao sy ireo vady aman-janany tao anatin’ny tsy fahampiana lava vokatry ny tondra-drano nahazo azy. Eny Andavamamba Ambilanibe no toeram-ponenany saingy

 

noho ny rotsak’orana diso tafahoatra dia lasa traboina ihany koa izy ireo. Etsy amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina izy sy ireo vady aman-janany no mialokaloka, raha araka  ny fitantarany. Hatreto anefa raha araka ny fijoroana vavolombelona natao dia fotsimbary milanja 20 kg avy tamin’ny BNGRC no mba azony. Ankoatra izay dia ny sakafo masaka sy ny fitafiana madinika avy amin’ireo teratany karana izay nifanesy ny alarobia sy ny alakamisy teo. Ny asa hatao anefa tsy misy, hoy ity renim-pianakaviana ity. Miasa amina fikambanam-behivavy Afhys ihany izy saingy 1.000 Ar isan’andro ny karama ary tsy raisina izany raha tsy isam-bolana. Ny vadiny anefa tapa-tongotra tsy afa-miasa ka voatery mianona amin’ny volakely azony amin’ny tsaka ranon’olona sy sasa lamba hataony ireo ankohonany. Nomarihin’ity renim-pianakaviana ity moa fa zavatra anisan’ny mbola mampalahelo amin’ny fiahiana ireo traboina miaraka aminy amin’izao ny fisian’ireo olona tsy fantatra tonga maka ny fanampiana amin’ny andro antoandro ary tsy mipetraka ao rehefa amin’ny alina. Antso avo no ataon’izy fianakaviana miisa 48 amin’ny fitondram-panjakana izay mialokaloka ao amin’ity ivontoerana ity mba hijery akaiky ny fanampiana azy ireo.

 

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT