Tokantrano 982, izany hoe olona mahatratra 2 816 no efa namonjy ny fodiany tamin’ireo traboina nipetraka teny amin’ny famonoan’omby teny Andohatapenaka hatramin’izao. Tamin’ny 27 martsa no nanomboka namonjy ny fonenany izy ireo.
Hatramin’izao dia mahatratra 263 isa ireo fianakaviana mbola raisin’ny fanjakana an-tanana ao, izany hoe olona miisa 1 077. Omena sakafo maraina toy ny koba izy ireo isan’andro ary vary sy laoka ny antoandro. Araka ny fanazavana azo omaly dia ny 15 aprily no hisy fizarana sakafo farany eny an-toerana raha toa ka ny 15 mey no horavana tanteraka ny toby. Nandritra izay nisian’ny tobin’ny traboina teny Andohatapenaka izay kosa dia nahitana tera-bao efatra teny an-toerana ary telo ny maty. Nisy lehilahy iray tratran’ny aretina tiberkilozy teny an-toerana ka efa noravana ny lainy ary nodiovina ny toerana nisy azy. Arahi-maso ihany koa ny toe-pahasalaman’ireo niara-nipetraka taminy. Ankoatra izay dia ny aretin-kibo no tena mpahazo ny zaza eny ka izay ilana fitsaboana manokana dia alefa eny amin’ny hopitaly. Nandritra ny fisian’ity toby ity ihany koa no nahitan’ny mpiasan’ny minisiteran’ny Mponina zaza kamboty miisa sivy sy zaza vonoin-drainy. Raisin’ny minisitera an-tanana ireo ankizy ireo ary halefa eny amin’ny mpitsara ankizy izay hamaritra ny hoaviny. Tsy maintsy hapetraka amin’ny toerana mpitaiza kamboty mantsy izy ireo rehefa ho rava ny toby. Marihina fa mahatratra 150 isan’andro ny isan’ny mpiasam-panjakana sy mpilatsaka an-tsitrapo miasa eny an-toerana ka miovaova isan’andro ireo ahitana ny avy ao amin’ny minisiteran’ny Mponina, ny Fahasalamana, ny Filaminana anatiny, ny Fiarovam-pirenena ary ny mpiasan’ny kaominina sy ny Croix Rouge.
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.