Tokantrano arivo traboina ao Toliara saika nizarana vary 10 kg, menaka, savony, PPN hafa no diso fanantenana tanteraka (nitomany ny sasany), ny sabotsy teo, satria nolavin’ny fitondram-panjakana tamin’ny ora farany ny hetsika voin-kava-mahatratra ho tolotanana ho azy ireo nataon’ireo depiote avy amin’ny faritanin’i Toliara « Vondrona Ambodivona »,
tao amin’ny «Jardin de la mer», afak’omaly tolakandro, nanomboka tamin’ny 2 ora. Hatramin’ireo fikambanana samihafa (beantitra, sembana, fiangonana …) tokony hahazo ny anjara fanampiany nalahelo amin’ny fomba mamohehatra tsy mitsinjo ny sahirana toy izao. Torak’izany ihany koa ireo mpanakanto fanta-daza telo dia i Black Nadia, Tence Mena ary D’Garry, efa tonga tany Toliara hafanana ny «téléthon».
Didy jadona
Ho an’ireto solombavambahoaka ireto, voahitsakitsaka ny lalam-panorenana ary potehina ny soatoavina malagasy mandala ny fihavanana sy firaisankina. «Nahoana no mangataka fanampiana any ivelany isika, nefa ny olom-pirenena eto vonona hanampy ireo havany traboina sy kere any Atsimo, nefa lavina. Tsy rariny izao ataon’ny fitondrana manao didin’ny be sandry izao», hoy ny depioten’i Sakaraha, Tinoka Roberto, filoha lefitry ny Anterimieram-pirenena teo aloha. Efa in-droa izy ireo no saika nanao hetsika toy izao nefa voadaka am-bavafo hatrany, raha ny fanazavany hatrany. « Ny antoko HVM irery ihany no any sisa mahazo alalana hanampy ireo traboina. Henatra ho antsika imason’izao tontolo izany, satria mihemotra ny demokrasia. Tsy haharitra ny fitondrana kanosa marefo manao didy jadona », hoy ity depiote ity, tamin’ny mpanao gazety.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.