Efa ny zoma 15 novambra no niandry ny rano hidina ireo fiaran’ny mpitandro ny filaminana nihazo an’Ikongo, hampandry tany any an-toerana noho ny fahavakisan’ny fonja ny alarobia 13 desambra lasa teo.
Avy amin’ny tafika sy ny zandarimariam-pirenena ary ny polisim-pirenena avy aty Antananarivo, Fianarantsoa, ary Mananjary izy ireo, ka fiara maro no nitondra azy. Ny sabotsy tokony ho tamin’ny 1 ora sy sasany, dia nandeha niampita teo amin’ny “Radier” ao amin’ny kaominina Ambinanitromby, 26 km tsy hidirana an’Ikongo ny fiarabe TRM tafika miisa 31, ka 21 avy amin’ny zandary ary avy amin’ny miaramila sy ny polisy ny ambiny, raha ny fakam-baovao avy amin’ny seraseran’ny zandarimaria eny amin’ny Toby Ratsimandrava. Nony tonga teny afovoany anefa, dia vaky ny kodiaran’ilay fiara, kanefa ny tosiky ny rano nihamafy, ka zakan’ny rano ary nivadika. Latsaka tany anaty rano ireo mpitandro ny filaminana. Nisy afaka nanavotra ny ainy ary nisy kosa ireo lasan’ny rano sy nateliny. Ny 6 tamin’izy ireo dia miaramila avy ao Fianarantsoa, 2 polisy avy ao Fianarantsoa, ary ny iray zandary avy any Mananjary. Ny androtry ny loza dia raikitra ny famonjena ary nandray andraikitra tamin’ny famonjena sy fikarohana ny fokonolona ka nahavotra ny ankamaroan’izy ireo. Raha ny vaovao farany azo tamin’ny solombavambahoaka Razafitsiandraofa Jean Brunel omaly tamin’ny 7 ora latsaka fahefany hariva, dia razana 3 no efa hita. Nitohy omaly ny fikarohana ny 7 tamin’ireo 9 natelin’ny rano.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.