Actualités

Tovovavy vao 17 taona Efa in’enina niditra ny fonja


  • Zoma 24 Novambra 2017

Tovovavy vao 17 taona monja no mbola sarona tamina soloky sy tontakely tao Antsirabe.

 

Tsy vaovao amin’izany ity tovovavy ity raha ny nambaran’ny polisim-pirenena satria vao 14 taona izy dia efa nihidy tao amin’ny polisy. Efa in’enina niditra am-ponja noho ny asa ratsiny izy, izay efa niteraka iray sy efa bevohoka ihany koa ankehitriny. Tratra tany an-tranon’olona tany Mahazoarivo-Antsirabe izy izao sarona izao indray. Nidirany avy hatrany ny tranon’olona rehefa hitany fa nangingina. Finday avo lenta no tazany dia nalainy, saingy hitan’ny tompon-trano avy hatrany izy ary voasambotra. Niaiky moa izy rehefa notazonina ary efa voaafiny tany anatin’ny zipony ilay finday. Tsy taitra akory izy milaza fa tsy fidiny azy no hangalarany, saingy efa fantatra fa tsy mahataitra azy ny migadra kely eny am-ponja satria tsy ela akory izy dia ho afaka indray satria nambarany fa ny mamany no mikarakara azy dia tafavoaka izy. Raha ny fantatra dia vao ny 15 novambra lasa teo no niakatra fitsarana tamina raharaha vola 24.000.000 Ariary ity tovovavy ity, saingy ilay sipany indray no nidoboka ary izy mbola miandry fitsarana amin’ny alatsinainy ho avy izao. Nambaran’ny mpitandro ny filaminana fa maromaro izy ireo no manao asa ratsy toy izao saingy ity aloha no tratra.

Caius R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT