Actualités

Tovovavy niteraka kambana efatra Maty ny telo, nilanja 1 kg avy ireo zaza


  • Alatsinainy 20 Aprily 2015

Tovovavy niteraka kambana efatra Maty ny telo, nilanja 1 kg avy ireo zaza

Tovovavy niteraka kambana efatra
Maty ny telo, nilanja 1 kg avy ireo zaza

Mitombo isa saika isan’andro ny reny mitondra vohoka teraka tsy tonga volana ao Toliara ao. Antony maro no mahatonga izany, hoy ny mpitsabo. Zazamenavava telo samy hafa, izay samy teraka kambana avy, nilanja manodidina ny 1 kg avy, no teraka tsy tonga volana  ka maty, ny herinandro iny. Manaraka fitsaboana ao amin’ny hopitaliben’i Toliara kosa amin’izao ireo sisa velona, ka anisan’izany ilay zaza teraka tsy tonga volana (7 volana) tao an-tranony, ny talata teo (kambana efatra, maty ny telo), nilanja 1 kg sy ny reniny 23 taona.

Velomina amin’ny «oxygène»

Mangana ny iray manontolo ary torana lava ity zaza ity, ka mbola velomina amin’ny alalan’ny «oxygène». «Miakatra tsikelikely ny lanjan’ity zaza ity ary mihatsara ny fahasalamany  tao anatin’ny 4 andro nahatongavany tato amin’ny hopitaly», hoy ny mpitsabo mandray an-tanana ny fitsaboana. Marihina fa ity tovovavy ity, dia in-droa niteraka tsy tonga volana ary kambana hatrany ny zanany.

Eric R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT