Actualités

Tovovavy mpianatry ny ACEEM Hita teny amin’ny Mausolée ny razana


  • Alarobia 13 Mey 2015

Tovovavy izay nianatra tao amin’ny taona voalohany amin’ny lalampiofanana fifandraisana ao amin’ny Université Aceem, Rabarison Tiana Nantenaina na i Nanah no nisy namono tamin’ny fomba feno habibiana ny alahady 10 mey teo. Tovovavy vao 18 taona monja.

 

 

Ny alahady hariva lasa teo no nanomboka tsy hita rehefa niaraka tamin’ny namany nitaingina moto scooter nandritra ny tolakandro ny tovovavy, araka ny fitantaran’ny rainy. Niezaka niantso azy tamin’ny finday ny fianakaviana tamin’io hariva io  kanefa tsy nisy namaly mihitsy ilay izy na dia naneno tsy an-kijanona aza. Ny alatsinainy maraina tokony ho tamin’ny 10 ora dia naverina nantsoina indray ilay izy kinanjo tsy nandeha intsony. Rehefa nozohina na no-“ localiser’na” anefa ilay “puce” dia fantatra fa teny Ambolokandrina eny amin’ny  manodidina  ny Bibilava akaikin’ny ISPM no misy ilay izy. Rehefa nanaovana fanarahana maimaika dia fantatra fa teny amin’ny manodidina ny Mausolée no hita nisy nitondra ilay moto ary niantsoana mpitandro ny filaminana ka nosakanana avy hatrany. Rehefa nalaina am-bavany nanaovana fanadihadiana lalina  ity tovolahy nitondra ilay moto ity dia nilaza fa nafeniny eny Mausolée ity tovovavy ity ary dia hita teny tokoa ny razana avy eo, hoy hatrany ny fanazavana. Nihohoka no nahitana ny fatin'ity tovovavy ity ary tsatok'antsy dimy no teny amin’ny tendany, nisanasana ny vavany ary  nivoaka ra. Tamin’ny alin’ny alatsinainy teo tamin’ny  9 ora no nanoroan’ilay tovolahy ny toerana misy ilay razana. Efa vita « autopsie » ny razana ary efa eny anivon’ny fianakaviana ankehitriny. Mbola mitohy kosa ny fanadihadiana.

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT