Tovovavy iray mamo tampona niaraka nanala azy vita « bacc » tamin’ny namany no voalaza fa niharan’ny fanolanana tambabe ny alin’ny zoma teo, tany Toliara, ka tsy nikilaoty nandeha nody.
Raha ny fantatra dia andiana mpianatra maromaro samy nahavita ny fanadinany no niara-nisotro toaka, avy eo namonjy toeram-pandihizana iray ao Toliara. Fisotroana tsy nisy toy izany raha ny feo heno. Nitohy tao amin’ny « Jardin de la mer » Amoron-driaka ny revy avy eo.
Tsy nahatsiaro tena
Rehefa samy mamo dia niitatra ny saina ary niafara tamin’ny firaisana ara-nofo tambabe noho ny fitiavana andrankandrana. Raha ny vaovao azo dia ny sipan’ity tovovavy ity ihany no fantatra fa nandrisika an’ireo namany nanao firaisana ara-nofo tamin’ilay tovovavy, rehefa avy nahazo ny anjara fahafinaretany niray tamin’ny olon-tiany izy. Rehefa hitan’ireto tovolahy fa hafahafa ny toe-batan’ity tovovavy taorian’izany dia nilefa izy ireo. Efa hadiva maraina kosa ny andro vao nahatsiaro tena ilay tovovavy, ary tsy hita ny findainy ny tena reraky ny fanolanana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.