Tsy mbola hita popoka hatramin'ny omaly alahady 16 aogositra na dia efa mandeha aza ny fikarohana ilay tovovavy kely iray nanambaka ny banky iray sy ny mpivarotra fiara iray efa za-draharaha teto an-drenivohitra ny 25 jolay lasa teo.
Raha tsiahivina ny tantara dia kara-panondron'olona very no nampiasain'ity tovovavy kely, ka ny sary fotsiny no nosoloiny. Nakany taratasy fanamarinam-ponenana tany amin'ny fokontany io kara-panondro io rehefa avy nianarany tsara ny sonian’ilay tompony. Nahazoany kaonty tao amin'ny banky io kara-panondro io, antony nahazoany cheque nandrebirebena ilay tompona fiara golf type 4 TDI miloko volombatolalaka mitentim-bidy 20 tapitrisa Ar. Tsy hita niaraka taminy io fiara io, raha nilaza tsy manam-bola vonona izy fa cheque no misy noho ny asa marobe miandry azy. Tsiahivina moa fa efa nohenoin’ny mpitandro ny filaminana ilay tena tompon’ny kara-panondro sy ny tompon’ilay fiara ary efa mandeha ny fikarohana ilay mpisoloky amin’izao fotoana izao.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.