Actualités

Tovovavy 19 taona Tsy nahavita Bacc fa nahazo zaza


  • Sabotsy 22 Aogositra 2015

Faly sahirana ity tovovavy iray 19 taona mpiadina nanala fanadinana bakalorea tao Toliara, afak’omaly maraina. Nahazo zanaka (teraka) nefa ny fanadinana tsy maintsy najanona.

  Raha ny fanazavana azo dia nihetsi-jaza tao amin’ny toeram-panadinany izy, ka tsy maintsy nentina namonjy haingana mpampivelona. Teraka soa aman-tsara tamin’ny 9 ora sy sasany ary lahikely nilanja 2,900 g ny zanany, izay salama tsara, raha ny nambaran’ny mpampivelona.

Fitia voarara

Rehefa nitoe-jaza tamin’ny sipany izay mbola mpianatra ihany koa ity tovovavy ity dia tsy neken’ny ray aman-dreniny esorina ny zaza tao am-bohoka, ary tsy nankany an-tsekoly intsony izy fa nanaraka « cours ». Nahatsikaiky fa tonga hijery an-janany ny olon-tiany (sipany) nefa noroahin’ny ray aman-drenin-drazazavavy. Raha ny vaovao voaangona dia nifankatia ireto tanora, nefa nolavin’ny ray aman-dreninin’ilay kala ny fiarahan’izy ireo, noho ny saranga sy fiaviana tsy mitovy. Fitia voarara !

 


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • Gérard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT