Tovovavy kely iray vao 14 taona antsoina hoe Razafindrahanta Hariniriantsoa Nancy monina eny Avaradoha no tsy hita popoka nanomboka ny sabotsy 13 janoary lasa teo tamin’ny 4 ora nialany tao an-tranony.
Nametraka fitaraianana mikasika izany tao amin’ny Kaomisaria misahana zaza tsy ampy taona eny Tsaralalàna ny rainy Randrinalijaona Jean Guy, taorian’ny nampandalovana azy teo anivon’ny sefom-pokontany misy azy ireo. Hatramin’ny omaly alatsinainy 15 janoary nanaovana ny fitairanana, tsy mbola hita io tovovavy io. Nanamarika kosa ny rainy tao anatin’io taratasy fitarainana io, fa tsy nisy ny fifamaliana na fanabedesana natao azy, ary zaza salama saina tsara izy. Efa miparitaka any amin’ny tranokalam-pifandraisana “facebook” ny filazana sy fangatahana fanampiana sy vaovao momba izay mety mahita azy, ka ny laharana 032 51 891 26 na 033 21 312 29 no hahafahana mampandre ny fianakaviana. Azo atao ihany koa ny manatitra azy avy hatrany eny amin’ny mpitandro ny filaminana akaiky azy. Tsy fantatra mazava ny antony tsy naha hita ity tovovavy kely, ka mipenompenona fatratra ny fianakaviany amin’izao fotoana izao. Inona no antony nialany tao an-tokantrano ? Nisy nandrokiroky ve ka nitondra azy nitsoaka ary inona no antony ? Sa kosa misy hidiran’ny resaka fakana an-keriny ? Ao anatin’ny fotoana fialana sakana ihany koa anefa raha ny taonany, ka tsy fantatra na misy hifandraisany. Ny hirariana dia ny hahitana azy soa aman-tsara sy hiverenany eo anivon’ny fianakaviana.
Nangonin’i Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.