Mihitsoka efa efatra andro, omaly, ao amin’ny seranam-piaramanidin’i Johannesburg Afrika Atsimo ireo tovovavin’ny tarika Bloco Malagasy, taizan’ny ONG Bel Avenir Toliara raha tokony hody an-tanindrazana. Foana ny sidina tokony ho nodian’izy ireo tamin’ny sabotsy. Tapakila maimaimpoana nomen’ny Air Madagascar no tokony ho niondranan’izy ireo,
saingy tsy manankery amin’ny sidina nisy, hany ka tavela any ireto teratany Malagasy ireto, izay lany vatsy. Velon-taraina ireto tanora ireto fa tsy misy fandraisan’andraikitry ny Air Madagascar eo anatrehan’izao fahavoazana manjo azy ireo izao. Tsy nahazoana valin-teny mazava ny eo anivon’ny Air Madagascar rehefa nanontaniana, fa dia mionona amin’ny hoe “misy perturbation be ny vol amin’izao” sy ny hoe “gestion’ny any Johannesburg izany”. Manana masoivoho any Afrika Atsimo i Madagasikara. Inona no mba andraikitra raisiny manoloana izao toe-javatra izao ? Teratany Malagasy ireo voapetrapetraka ireo, amin’izay tovovavy avokoa.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.