Actualités

Tovolahy voadonam-pitiavana Nanary akanjo sady niantso anaram-behivavy


  • Alarobia 27 Mey 2015

Gaga ny rehetra satria tranga tsy dia fahita firy na mahazatra ny maso ao Toliara no nitranga omaly alatsinain’ny petenkosta, tokony ho tamin’ny 11 ora antoandro, tamin’ny lalana mihazo ny moron-driaka, ambadiky ny « Jardin de la mer ».

Tovolahy iray mamon-drongony no nanala sy nanary ny akanjony iray manontolo teny aminy, ary niboridana tanteraka imasom-bahoaka sady nandeha teny amin’ny arabe no nimenomenona toa nidelira ary niantso anaram-behivavy iray foana, hoy ireo nanatri-maso. Raha ny filazan’ireo mahafantatra azy, dia voadona ara-pitiavana ity tovolahy mbola mpianatra ity, satria lasa nanambady vazaha ny olon-tiany. Voalazan’ireo olona akaiky azy fa isaky ny manembona io olon-tiany io izy dia tsy tana fa mirifatra foana, ary nisy fotoana efa namono  tena tamin’ny antsy izy saingy avotra ny ainy.

Eric R.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT