Ny alakamisy 16 novambra teo no niakatra fitsarana tao Toamasina ilay raharaha fandoroana ny efitranom-pitsaran’ny fitsarana tao Toamasina nitranga ny 5 septambra lasa teo.
Voasambotra ambodiomby teo am-pandorana ny sezan’ny filohan’ny fitsarana sy ny sainam-pirenena Razafinantenaina Niola 23 taona mpianatra lalàna eo anivon’ny oniversiten’i Toamasina, avy any Mandritsara. Nisy avy hatrany ny fisamborana azy ka ny polisy misahana ny heloka bevava no nisahana ny fakana am-bavany azy. Ny 7 septambra no niakatra fampnoavana ny raharaha ka nihazonana azy am-ponja vonjimaika azy. Raha tokony ho natao ny alakamisy 19 oktobra ny fitsarana dia voatery nahemotra noho ny fitokonan’ireo mpitsara sy ireo mpirakidraharaha manerana ny nosy. Niaiky ny heloka vitany izy nandritra ny fitsarana azy, saingy nangataka ny famelan-keloky ny fitsarana satria tsy tompon’ny tenany nandritra ny heloka vitany noho ny zava-pisotro nisy alikaola nosotroiny. Raha nivoaka anefa ny didy dia sazy dimy taona am-ponja mihatra avy hatrany no navoakan’ny filohan’ny fitsarana nisahana ny raharaha, na nangataka ny fampiharana ny sazy henjana ho azy aza ny fampanoavana, araka ny fitoriana nataon’ny lehiben’ny mpirakidraharaha ny fitsarana ambony mpitory tamin’izao raharaha izao, noho ny “fanondorana efitranom-pitsarana, fanivaivana mpitsara, ary fanosihosena ny hasim-pirenena tamin’ny fandorana ny sainam-pirenena tao anaty fitsarana”. Raha hiverenana ny tantara, noho ny tsy mety fahavitan’ny fitsarana ny sakaizany izay voaroiroy noho ny halatra tsy nataony no niteraka izao heloka izao. Ny fanazavana teo anivon’ny fitsarana anefa nilaza fa diso efitrano nidirana ity tovolahy ity satria vita tamin’io fotoana io ny fitsarana ilay sakaizany izay nahazoany fahafahana tam-pisalasana tamin’ny filohan’ny fitsarana nisahana ny raharaha. Tsy fantatra hatreto na nampiakatra fitsarana ambony ity tovolahy ity tamin’ny sazy dimy taona am-ponja azony ny alakamisy nandritra ny fitsarana ny raharaha ara-keloka vitany izao.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.