Actualités

Tovolahy mamo nianjera tamin’ny moto Vaky loha tsy nahatsiaro tena


  • Talata 24 Martsa 2015

Tovolahy iray no vaky loha tsy nahatsiaro tena nazeran’ny moto nentiny ka nifatratra tamin’ny andrin-jiro, omaly naraina tokony ho tamin’ny 10 ora, tany Toliara. Raha ny fanazavan’ireo nanatri-maso, nisetrasetra tamin’ny fitondrany ny soavaliviny izy (nandeha mafy),

 

 

 ka iny niala lavaka iny no nianjera ary nikorisa ka nifatratra tamin’ny « poteau ». Nahenoana fofon-toaka ity tovolahy ity rehefa nobataina, hoy hatrany ny fanazavana azo. Ny sabotsy maraina teo kosa, tao Sanfily Toliara, dia mpanao gazety iray ihany koa ny nieren-doza nianjera tamin’ny moto nentiny. Tapaka ny tongony havia ary mbola manaraka fitsaboana amin’izao. Nisesisesy tato ho ato ny lozam-pifamoivoizana amina kodiarana roa vokatry ny tsy fitandremana sy tsy fanajana ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana.

 

Eric Man

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT