Actualités

Torolalana momba ny fampianarana ambony Misy ny boky manampy ireo mpianatra


  • Zoma 03 Septambra 2010

Ho fanamaivanana ny adin-tsain’ireo mpianatra maniry ny hanohy ny fianarany eny amin’ny ambaratonga ambony no antony namoahan’ny Madajeune ny boky «Guide des Etudes et Formations».

Mirakitra ny fanofanana misy eny anivon’ireo sekoly ambony sy toeram-piofana tsy miankina isan-karazany eto Antananarivo mantsy ity boky ity izay manampy amin’ny fisafidianana ny fianarana hatao. Efa nivoaka izao ny edisiona faha-9. «Niniana navoaka mialoha ny fivoahan’ny valin’ny bakalorea mihitsy izy io mba hananan’ny ankizy fotoana malalaka tsara hisafidiany izay sehatra mahaliana azy sy heveriny fa hanomanany ny hoaviny arak’asa», hoy i Lahatra Andriamahatsangy, tompon’andraikitra eo anivon’ny Madajeune. Mampiavaka ity andiany 2010 ity koa ny hamaroan’ireo sekoly ambony vaovao toy ny Rossignols sy ny ASFOR, ohatra, ankoatra ny fanazavana momba ny rafi-pampianarana LMD. Tafakatra 80 pejy koa ny boky 3.000 ariary raha 40 pejy hatrany izany hatramin’ny taona 2002. Ny fividiana ny boky dia ahazoana ny tapakila ahafahana miditra maimaipoana amin’ny «Salon de l’Etudiant» izay hatao ao amin’ny kianja mitafo Ankorondrano ny 6 ka hatramin’ny 8 oktobra ho avy izao natokana ho an’ny mpianatra.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT