Tranonkala iray natao ho an'ny mpianatry ny Lisea manerana an'i Madagasikara ny “Madabooky”, izay novokarin’ny tanora Malagasy mpianatry ny IST (Institut Supérieur de Technologie) tamin’ny alalan’i Venceslas Louis Tsira sy ny namany avy amin’ny oniversite Politeknika Vontovorona. www.madabooky.com, m.madabooky.com, Madabooky.
apk, Madabooky.apk ny rohy hahafahana mahazo sy misitraka azy ireo, ary azo ampidirina amin’ny finday. Ahitana ny mombamomba ireo taranja rehetra ity tranonkala ity sady azo hanaovana ireny "discussion instantanée" na resadresaka sy adihevitra miaro fanamarihana ireny. Misy ireo laza adina bakalorea efa taloha ihany koa. Amin'izao ankatoky ny fisian'ny fifaninanana hidirana amin'ny taona voalohany eny amin’ny anjerimanontolo izao (DEGS, AGRO, POLYTECHNIQUE, ENI,...) dia ahitana ireny laza adina efa nandeha ireny koa ao. Sady manoro lalana hanohy fianarana any amin'ny anjerimanontolo izy ity, ka misy ny fanazavana ireny lalàm-piofanana ireny miampy fampahafantarana ireo oniversite sy ny lalam-piofanana. Ny fampianarana izay ao anatiny dia natao amin'ny teny mifangaro (Frantsay-Malagasy) mba hahazoan'ny tsirairay avy ny tiana holazaina amin'ilay lesona, ary azon'ny tsirairay atao ny mifampizara ireo karazana antontan-kevitra mety ilaina. Tahaka ny miditra amin'ireny tambajotra ara-tsosialy toy ny « facebook ireny » ny miditra amin’izy ity, izany hoe manao fisoratana anarana aloha.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.