Hanomboka anio sabotsy 3 martsa amin’ny 2 ora tolakandro ny fandaharana vaovaon’ny Onjam-peo Top Radio 102.8 FM, nampisalorana ny anarana hoe “Top Gasy”.
Eo ambany fanentanan’i Hery Ratovoarijaona na Hery Ratovo no ahalalan’ny maro azy, izay teknisianina sady mpanentana ao anatin’ity onjam-peo anisan’ny be mpihaino amin’izao fotoana ity ny fandaharana. Ny “Top Gasy” dia fandaharan-kira Malagasy miisa 10 ao anatin’ny herinandro, ka ireo hira nivoaka tamin’ny taona 2000 no ho midina amin’ny ankapobeny no haroso hisafidianan'ny mpihaino izay tena ankafiziny. Tanjona ny hanasongadinana ireo hira mahafinaritra sy tsara tany aloha, kanefa tsy dia mandeha amin’ny onjam-peo. Mandritra ny herinandro ny fisafidianana amin’ny alalan’ny hafatra fohy na “sms” amin’ny laharana 034 14 102 80/ 033 14 102 80/ 032 11 102 80 na koa ao amin’ny pejy Facebook “Top Radio”. Ireto avy ary ireo hira 10 halahatra voalohany, izay handeha ao amin’ny Top Radio anio amin’ny 2ora tolakandro ary haharitra 30 minitra eo ho eo : Mifanafatra (Kafa), Ento (Rebika), Irery aho (Narisoa), Izany vehivavy izany (Jeneraly), Atolotro anao (Kiaka), Iray lalana (Ricky), Ny andro androany (Tsiakoraka), Mba te-hiantefa (Bodo & Mahery), Havagna anao (Babaique), Mamahely (Din Rotsaka & Njakatiana). Teny fohy avy amin’i Hery Ratovo, mpiandraikitra ny “Top Gasy” ny hoe : “ankafizo ny sangan’asan’ireo mpanakanto Malagasy satria reharehantsika izy ireny”.
Nangonin’i Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.