Actualités

Tontolon’ny fitsarana Ho avy indray ny ampamoaka manaraka..


  • Alatsinainy 05 Martsa 2018

Miandry izay ho fivoaran’ny toe-draharaha mikasika ny tontolon’ny fitsarana isika ankehitriny taorian’ny savorovoro niseho ny faran’ny herinandro lasa teo. Niteraka tsy fifankahazoana teo amin’ny sendikan’ny mpitsara na ny SMM sy ny minisitera ny nisamborana ny naman’izy ireo nandray an-tanana ny raharaha Houcine Arfa.

 

Voalaza ho nandray anjara tamin’ny fampitsoahana azy mihitsy io mpitsara io, araka ny fanehoan-kevitry ny sampandraharaha iray najoro teo anivon’ny minisiteran’ny fitsarana. Nomena fahafahana vonjimaika ity farany rehefa nisy ny tsy fankatoavan’ny SMM ny fisamborana azy. Tao anatin’ny fifanolanana dia nilaza ny teo anivon’ny SMM, fa tokony hohadihadiana daholo izay rehetra voakasika, toy ny minisitry ny fitsarana, ny talen’ny kabinetrany, ny tonia mpampanoa lalàna … Nampiaka-pofona ny SMM iny fisamborana ny namany iny saingy ilay Birao manokana misahana fampiroboroboana ny fampanarahan-dalàna antsoina hoe BCCJEP dia nanamafy, fa nisy ny fahadisoana arak’asa sy tsy fanarahan-dalàna nataon’io mpitsara io. Tsy hay aloha izay mety ho tohin’ny raharaha satria samy miziriziry sy mifampiapanga ny an-daniny sy ny an-kilany. Tahotra ny mety hisian’ny korontana ve ny nanomezana fahafahana vonjimaika ilay mpitsara nosamborina sy efa nentina tany amin’ny Tribonalin’Ambatolampy ? Mafana ny toe-draharaha eo amin’ny tontolon’ny fitsarana amin’izao fotoana. Niteraka savorovoro ny raharaha Houcine Arfa, ka dia miandry ny rehetra. Hivalona tanteraka ny raharaha sa hitohy ny ampamoaka ary hisy ny olona hosaziana ? Tena raharaha goavana sy mampirontana ny fanjakana iny raharaha iny, ka dia miandry ny hivoahan’ny tena marina ny ambanilanitra.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT