Actualités

Tontolon’ny Fitsarana Ny tahotra no manjaka eto, hoy ny mpisolovava


  • Zoma 10 Septambra 2010

Mbola miteraka resabe mandraka ankehitriny ny fitsarana ny raharaha 7 febroary, ka nanamelohan’ny fitsarana ady heloka tsotra didy ny filoha Marc Ravalomanana hanao asa an-terivozona mandrapahafaty.

Niala tamin’ny fahanginany ireo vondrona mpisolovava izay anisan’ny nanatrika yny fitsarana ny raharaha 7 febroary 2009 iny. Betsaka ireo tsy ara-dalàna nitranga tamin’iny fotoana iny, hoy ny fanazavan’izy ireo. Ankoatra ireo efa fantatry ny besinimaro nolazain’ireo mpisolovavan’ireo voampanga dia nambaran’ireto mpisolovava, atao hoe : “avocats au barreau de Madagascar” ireto fa tsy nahitana antontan-taratasy nisy ny autopsie na koa ny tatitra antsoina hoe rapport balistique izay ahafahana manamarina izay bala nahafaty ireo namoy ny ainy, ny hoe avy aiza no mankaiza tamin’iny fotoana iny ireo antontan-taratasy. Araka ny fanazavana ihany koa dia nisy tamin’ireo namoy ny ainy tamin’iny fotoana iny, vehivavy iray maty vokatry ny lozam-pifamoivoizana, ary dia nisy antontan-taratasy manamarina izany, araka ny fanazavana. Azo fantarina ny momba io vehivavy io, araka ny vaovao.

Voalaza ihany koa fa nisy ramatoa hafa voan’ny bala avy ao an-damosina nefa izy nifanatrika ny lapam-panjakana. Zavatra tsy mitombina mihitsy izany filazana izany, hoy ihany ireto mpisolovava izay nanambara fa mbola maro ireo zavatra mampanahy hita raha toa ka dinihana tsara ireo antotan-taratasy. Izany rehetra izany, hoy ny fanambarana dia porofo fa tsy manana fahafahana sy fahalalahana ny eo anivon’ny fitsarana. Ary dia zary lasa hery famoretana ny tafika, ny polisy ary ny zandary. Fa isan’ny mampanahy ny mpisolovava amin’izao fotoana dia mazana no tsy tonga eny amin’ny tribonaly ireo olona ahiahiana no nandika lalàna na nahavita heloka fa misy mamono. Nomarihin’ireo mpisolovava fa ny tahotra no manjaka eto amin’izao fa tsy misy izany hoe fandriampahalemana sy fahatomombanan-toerana izany. 

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT