Actualités

Tontolon’ny fandraharahana Manomana ny fiverenany ny fianakaviana Ravalomanana ?


  • Alatsinainy 14 Desambra 2015

Enin-taona aty aoriana dia tafavory indray teny amin’ny trano fonenany teny Faravohitra ny fianakaviana Ravalomanana ka afaka niaraka nankalaza ny tsingerintaona faha-66 nahaterahan’i Dada.

 

Voalohany ihany koa ny nahatazanana an’i Josoa Ravalomanana, zanaka lahimatoan’i Marc sy Lalao Ravalomanana hatramin’ny 2009 no ho mankaty. Ny volana febroary 2009 no nandao an’i Madagasikara i Josoa R sy ny vady aman-janany ary izao indray vao niverina an-tanindrazana. I Sarah Ravalomanana moa dia efa mivezivezy eto ihany raha toa ka efa nipetraka sy niasa tany Afrika atsimo teo aloha teo ; i Tojo Ravalomanana kosa dia monina any Antsirabe ary izy no namaky lay niverina teto Madagasikara tamin’ny fianakaviana Ravalomanana. Tsy teny Faravohitra kosa ny sabotsy teo fa mbola voatazon’ny fianarana ataony any am-pita ny faralahin’ny fianakaviana Maikatsara Ravalomanana, izay fantatra fa mianatra momba ny fitantanana sy ny politika amina oniversite anisan’ny tena malaza eran-tany ankehitriny, fa na izany aza dia efa tonga matetika an-tanindrazana ihany. Azo antoka fa tsy tongatonga ho azy na fifandrifian-javatra izany rehetra izany fa efa tena manomana ny fiverenany eo amin’ny tontolon’ny fandraharahana ny fianakaviana Ravalomanana ary tombanan’ny maro ihany koa fa miketrika ny hiverenany eo amin’ny fitantanana ny firenena.


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT